You are here: home > Vetso

Nofo iray - Mandefitra

Nofo iray
rehefa faly ianao mirana ny saiko
rehefa tony ianao, azoazo ny aiko
ny alahelonao, manohina ny foko
ny ranomasonao, zaho no mitoloko

matory tsara ianao, mandry ny eritreritro
salama, milalao; mitombo koa ny heriko
ny sentosentonao no zary hakiviako
ny hirifirinao manjary fanaviako

ny vinavinan' asa iarahana mamola
ny ampitso sy ny lasa, iarahana midola
ny toky sy ny voady : ho mandrakizay
isika roa mpivady, isika nofo iray

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

fiaritiana (09/11/2005 13:29:38)

tsara,mendrika isa 5

Mandefitra (10/11/2005 09:10:28)

misaotra @ fanohanana Fiaritiana a.

andrysecabi (11/11/2005 19:01:38)

Misikosikotra mampitady fiadanana anaty trimofoloalina!

Mandefitra (16/11/2005 10:10:58)

sarotra be ny manakatra ny tian ny mpanoratra (andrysecabi) ho lazaina.Misaotra

Hametraka hevitra

Midira aloha