You are here: home > Vetso

Vavaky ny Malagasy - Mandefitra

Tompo o vonjeo
Fa amoron-kady zao
Ny firenenay
Ny fonay mba tendreo
Hatoky indrindra Anao
Ka tsy hanahiahy.

Na mifofofofo
Mamono sy mandripaka
Mamotika mandrava
Ny asan’ilay fetsy ...

Dia hino Anao tsy hiofo
Tsy hivadika tsy hisintaka
Hatoky lalandava
Satria Ianao Mpandresy!

Ny Voninahitrao,
Tsy ho ela dia ho hita
Tsy maintsy ho tafita
Ny tanindrazanay

Amen

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha