Zanaka lahy (Mandefitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanaka lahy
faly ery ny ray sy reny rehefa njay fa tera-dahy
nisy mpandimby dada, nefa kosa indro kely :
moa ve tsapan'izy ireny, f'adidy tsy hita velively
ny manabe sy mitaiza hahatonga azy ho lehilahy?

Sao zareo ho sarimbavy, ndrao koa ho tia lehilahy
Na irony be kanosa tsy mba vonona hiatrik'ady
Na iretsy Ray mpifosa, tsy mba loha fa resim-bady
Farofy lava sy manavy, sarokenatra, tsy sahy...

Koa aza atao ankilabao ny fanabeazana an'i Koto
Ho LAHY anie ny zanakao, nefa koa tsy ho jiolahim-boto!
--------
Rohy:
2424 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 15/12/2004 21:47)
za anefa lehilahy,enga anie tsy hotanteraka amiko izany ryMandefitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : Mandefitra
Daty : 15/12/2004 16:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101