diso ianao ... fa mbola m (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
diso ianao ... fa mbola misy zay tavela

diso ianao ra'manana di-doha
milaza manadino ny rano nantsakana,
na ny lakana nintana,
ka tafarina tanteraka ny fo
diso ianao ra'efa mitantara
f'efa nanaiky f'izay no lahatra sy anjara
ka efa nino,fa tena nanandino
ka nefa betika matsiaro ...
ny sary mifangaro
fa tsy maintsy misy 'zay tavela
diso ianao ary tena diso
ra mievitra ny ampitso
lohataona,kanefa malaelo mivebena
gina sady mona
tsy mety manandino
hita taratra ivelana
f'mbola misy zay tavela
diso ianao ra'tsy misento
ny taim-bavanao fahiny
ka milaza fa voafafa ankehitriny
rehefa indro ianao matsiaro andohan'ny fandriana,
alohan'ny hatoriana
aretina efa nolalovako
ny mbola misy 'zay tavela ...
mbola ho nofy hoe tsy ho sahiran-tsaina
ka ianao tsy hintaraina
ra'mahita azy an-tratran'olonkafa
mino ahy, sento ray miverina takaitra zary maratra
ny hoe mbola misy zay tavela ...

RaM'art-son Emmanuel
--------
Rohy:
645 2
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 13/12/2019 15:22)
ra'..., toa mbola tsy nisy nampiasa anaty tononkalo mihitsy sa ve mampiavaka anao eo sehatry ny asa soratra!
raha... no tokony no ho izy ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144