tsy vatra ho tantaraina, (M'art-son Emmanuel)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vatra ho tantaraina,
Na koa ho lazaina
Fa tsy takona afenina
Tahaka ny vay an-kandrina
Ny lasa, ny làlana nodiavina
Ny rehareha, ny nenina
Eny, tsy takona afenina...
Malama maina mantsy iny nolalovana
Maro sampona sy be mpankahala
Be mpanadala,
Fandrika fototrin'ny fahasambaran' ny hafa
Ny fahavoazako ...
Nefa endriky ny fanafintohinan'ny hafa
Ny fahafahako
Tsara ny fiainana
Fa ratsy ny endrika fameno
Mandrakotra azy
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
965 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099