dia... fisarahana (Mbinintsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy saina tsy tafandry
Mandrakariva lasa vinany
Fa talanjona ka miandry
Fanazavana tsotra ihany

Dia miezaka hanakatra
Ny anton'izato fiovana
Saingy kosa re dia sasatra
Indrisy efa gina sady ana

Dia ilay fitiava-notinefy
Nokoloina tsy ho faty
Ankehitriny efa resy
Eh! tsisy tandroka ny ratsy

Dia tantara sisa mitanisa
'Reo fotoana mamy niarahana
Toy ny nandalo paradisa
Kanjo niafara:"fisarahana"
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
3039 0
Hevitra mandeha
Aingankalo ( 26/09/2009 07:10)
"Dia ilay fitiava-notinefy
Nokoloina tsy ho faty
Ankehitriny efa resy...
Dia tantara sisa."

Izay no fiainana e!
rhina ( 28/09/2009 11:38)
izay ve no fiainana! sa izay no sitrapo sa izay no vita !!!
vokatry ny zava-misy ny aingampanay e!
mbinintsoa ( 30/09/2009 19:42)
Aingankalo
Io nofantenanao io mihitsy no tena tiako am izy rehetra io, eh tsy hay mihitsy ny iafaran'ny zavatra iaianana ankehitriny

rhina
Misy tokoa ny sitra-po saingy raha ity resahiko ity dia tsy mari-pototra ny anton'ilay fisaharana izay vao maika mankarary ny mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbinintsoa
Nampiditra : mbinintsoa
Daty : 22/09/2009 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138