Firaisam-pirenena (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRAISAM-PIRENENA

Miala tsiny re ry zoky,miala fondro ry zandry,
F'efa ho 50 taona 'zao isika no niandry,
Mba ho tafala amin'ity fahantrana,
Kanefa mosary ny hita eran'ny tanàna

Na hihodinkavia ianareo na hihodinkavanana,
Tsy ahita fanazavana iray mba azo tanana,
Afa-tsy ny famikirantsika amin'ny firaisana..
No mahatonga antsika hitondra faisana.

Ahintsiho ny hevi-diso,aoka ny fitaka hihato,
Fa tsy izay te hitambatra akory dia ho vato:
Izy ireny no mitambatra anie ka voajanahary,
Izany no fahamarinana hita miharihary.

Ekeko kosa nefa,sady fantatro no haiko,
Fa misy koa ny hoe "béton" amin'ny teny baiko.
Toa mafy toa vato,nefa amin'ny teny tsy an'avona:
Dia azo lazaina fa voakazon-didy jadona.

Tohananao mafy ny maha iray ny Repoblika?
Aminao mazàna,'zay mitsipaka an'io "alika"
Satria izany hoy ianao no sitrak'Imboasalama,
Sy ireo nanaraka azy,indrindra Ilehidama!

Moa va ny tsy nitandrovan'Ilehidama hasasarana...
Dia ny firaisam-pirenena holovan'i Tsiranana?
Hadinonao koa angaha fa Andriamatoa Galliéni
Dia nanao izay ho afany mba ho iray ny "colonie"?

Raha ny marina nefa no atao indray mibango,
Ny harem-pirenena,ny vazaha no mitango ,
Dia foana tsy nisy na ny sotro na lovia,
Satria ireo no manjaka amin'ity tany ity.

Indrisy r'Imboasalama,taloha ianao nandihy
Ankehitriny kosa ny Merina,zary "confetis"
Tonga amin'ny fiteny hoe:"ny anao no be indrindra"
Ianao izay nanantena ny "lova tsy afindra"

Ny anao azo lazaina fa teti-kady nandamoka,
Tsy hay hotohizana fandrao ho vonomoka,
No hiafaranay Merina,sisa nanamborana,
Sisan-dapabe,...sisa tsy nodorana.

Merinaforever
--------
Rohy:
1645 0
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 30/03/2005 10:45)
Ohata ny hoe mamofompofona fihantsiana ara- poko izany ilay tononkalo ....
Sa ve diso aho ?
Sao de tsy mety raha izany tokoa no izy...
NyKanto ( 30/03/2005 11:00)
Mety marina ny tsapanao ry Miarantsoa ... nefa ihany koa matetika raha vao miteny hoe merina anie ka raisin'ny mpihaino sy mpamaky fa mandranitra adim-poko, tsy izany velively anefa no tsapa rehefa mandre ny hoe terak'Antsiranana ohatra ... any ny olana no mipetraka ... raha iverenako ilay tononkalo dia toa manaraka ny zarazarao hanjakana efa nentin'ny mpanjanaka teo aloha, tsy mankalaza ny firaisana fa ny fisaraham-pirenena ... amiko ny firaisampirenena dia zava-dehibe tokoa, samy hafa foko nefa ampiraisin'ny NOSY sy TENY iray ny Malagasy. Efa be dia be izany ary tena mavesa-danja tokoa ho an'i Madagasikara satria raha oharina amin'i firenena maro samy hafa dia ny teny "baiko" indray no lasa entina miserasera.
"Izay mitambatra vato" ... tsy diso ireo Ntaolo raha niteny izany.
Ny Kanto
Merinaforever ( 30/03/2005 12:11)
Maro ny olona (ao ny Merina,ao ny hafa)no mihevitra toa an'i Miarantsoa.Tsy hanao aho hoe halako ireny olona ireny.Ny zavatra marihiko fotsiny kosa dia mba hahazahoan'ny mpamaky izay afaka "hihaino" izany fa mandreraka mihitsy ny mahazo karazana "ompa" rehefa mba maneho ny heviny ny olona iray.Ny ahy izao ny hevitro dia mazava tsara,ary safidy io,fa saingy safidy mifanipaka amin'ny mahazatra sy nanazarana ny maro.Ny olana dia efa vita lasitra (pret à lacher)daholo ny teny voalazako fa karazana "ompa" asetry tsy ampy fandinihina ny amin'ny voalazako.Izany indrindra no nahatonga ahy ho entin'ny aingam-panahy hanoratra ity tononkalo ity manao hoe:"ny fanasemporana".(jereo io tononkalo io.)
Raha todika tokana no ilàna hery dia marina ny hoe "ny firaisana ny hery sns sns "
NB:fanontaniana=mba mahazo tezitra ve aho amin'ny maha-Merina ahy?Na ho inona nefa ho valiny na ho inona,dia ataoko fa hotsapanao ny ezaka ataoko mba tsy ho ny fahatezerana fotsiny ihany no manosika ahy satria tsy hitondra fandriampahalemana izany.
Misaotra.
rabona ( 01/04/2005 19:20)
miala tsiny fa ny hevitrao dia tsy mazava ary koa ny fanazavanao eto ambany dia vao maika koa maizina ,ny hany azoko ary manaiky aho dia ny vazaha mitango sy manjaka @ ity tany ity (ny matanjaka ihany no mandresy)marina izany , ny manelingelina ahy dia ianao mijanona sy tena fermé be hoe "merina" izaho zanaka andriana tsoriko aminao nefa izany tsy manakana ahy hiresaka ireo gasy any @ faritany , ny tiako tenenina dia izao tsara raha ilay merina soloinao Malagasy ,@ izay ireo malagasy mamaky eto hahatsiaro tena sy ho tohana na hihentsi-mpo @ tonokalo soratanao.
marina fa samy milaza izay tiany ho lazaina ao @ tononkalo fa ny anao manque de tacte na ianao mihitsy no tsy diplomate ,miala tsiny fa izay no fahitako azy ,mino aho fa olona nianatra ianao ,ary haveriko fa tsy merina ihany no mamaky ny tononkalo eto fa misy avy any @ faritany
mazotoa na izany ary
rabona ( 01/04/2005 19:54)
saika hadinoko ,i Andrianampoinimerina dia nihezaka hampitambatra an'ny Madagasikara "ny ranomasina no valamparihako" hoy izy , izany no hatao hoe malagasy merina manantsaina fa tsy mihezaka hampisaraka sy hampiady foko toa anao io !!
Miarantsoa ( 02/04/2005 15:47)
Misy marina ihany ny sasany @izay voalazanao ry Merinaforever ( ny sasany hoy aho .... ) saingy raha ny fiainana ankehitriny no asiana resaka dia hafa ihany ny firaisan- kina , sa ahoana hoy ianao ?
sady tsy haiko fa amin' izao vanin' andro Kristianina izao dia tokony tsy hisy intsony izany fanavakavahana ara- poko izany , na ara- bolon- koditra , na ara- pihaviana sns...
Tahaka ny voalazan'ny Baibolay hoe :iray ihany isika ao @ i Kristy :
tsy misy intsony na andevo na tsy andevo , na hebreo na grika , na lahy na vavy ...
Miarantsoa ( 02/04/2005 15:59)
Marihiko aloha fa izaho koa dia merina ry Merinaforever !
Hoy aho hoe: ny mampitombo ny hantsana efa napetraky ny vazaha (ny @ fampisarahana ny tanindrana sy ny anivon- tany ) ve no tsara sa ny mampiseho toetra mandresy lahatra ny ny foko hafa fa ny merina dia mankalaza hatrany ny firaisam- pirenena ?
Satria Mpajaka Merina no nilaza fa " ny ranomasina no valam- parihiny " Hendry loatra anie izany heviny izany e !
NyKanto ( 03/04/2005 16:09)
Mendrika ny ho deraina tokoa ny voalazao ry Miarantsoa...tsy misy tsara afa-tsy ny firasan-kina.Indrindra ihany koa ilay hoe firasam-pirenena miampy fifanajana.
Ny Kanto
Merinaforever ( 04/04/2005 02:26)
Hamaliako an'i Miarantsoa sy NyKanto dia http://www.geocities.com/merinaforever/forum1

Miala tsiny fa tsy tiako ny hameno be loatra ity sehatra eto ity izay tsy nampoiziko ho toy izao.
Merinaforever ( 04/04/2005 02:29)
http://www.geocities.com/merinaforever/forum1

tsy nety ilay lien teo aloha!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098