You are here: home > Vetso

Ny saka sy ny totozy - Mia

Indray mandeha ity saka hono
Nantsoin'izay totozy izy
Ndeha isika samy hatono
Ka ho hita eo zay tsy may

Ny totozy no nialoha
Nototofana kitay
Andraso andraso hoy izy aloha
Nihady lavaka izy zay

Areheto amin'izay
Nisitrika izy fa tsy may
Noho ny afaka avy teo
Dia ny rehaka ho mahay

Fa ny saka kosa hono
Nihady lavaka tsy hainy
Tao izy dia voatono
Ary tapitra ny ainy

Sokajy : tantara

Mombamomba

Mpanoratra : Mia

Nampiditra : hmilay
Daty : 25/07/2007
Mpamangy : 4107
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Valim-babena
Mahaiza misaotra

Hevitra mandeha

hery (25/07/2007 11:55:43)

Iza no tena mpanoratra an'ity tsianjery ity?

nikopol (30/07/2007 14:59:46)

pffff
tsy Mia zany no nanoratra an'io

nikopol (30/07/2007 15:02:07)

refa tsy hay ny mpanoratra dia atovy hoe mpanoratra tsy fantatra fa aza misandoka ohatr'io

tiaraj (05/02/2008 20:22:31)

Efa reko talohan'ny nahaterahako ilay tantara fa angano io...

istraky (11/08/2008 15:48:14)

I Jean verdi Salomon Razakandraina (DOX) no nanoratra io Tonokalo malaza io.

Hametraka hevitra

Midira aloha