You are here: home > Vetso

Nahoana kay? - Miantsa Fitia

Nahoana kay no haizin-dava
no solon'ilay hazavana?
zay nantenaina mba hitondra
fifaliana fa tsy loza

Nahoana kay no dia tomany
no re manerana ny tany
dradradradra,hikiaka
satria nilaozan'olo-tiana

Nahoana kay no dia ankaso
zay mampirotsa-dranomaso
ray,reny,olon-tiana
sahy mandao fa hoe tsy mila

Nahoana kay no misy olona
miasa mafy sy mitolona
mba ho tafita soa aman-tsara
kinanjo ratsy fiafara

Nahoana kay no misy hatrany
ny hoe ambony sy ambany
ny fotsy,mainty,zarazara
Andriana ,andevo,mpikarama

Ry tany o!mba lazao
ny fetram-pahefanao
zay mampitomdra anay mafaitra
isan'andro tena tsy laitra

Sokajy : Ady

Mombamomba

Mpanoratra : Miantsa Fitia

Nampiditra : Condor
Daty : 27/04/2008
Mpamangy : 652
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Na dia izany aza
Miserana ihany
Ao am-poko lalina ao

Hevitra mandeha

kala (29/04/2008 06:45:19)

Mankasitraka!:-*

Hametraka hevitra

Midira aloha