Ady (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY
Miadiva izay hiady
Fa izaho tsy manan- tsandry.
Miadiva izay mitady ,
Na razoky na razandry...
Miadiva eny foana,
Miadiva amin' ny Foana ,
Raha mbola manana hery
Ariana sy ho very ,
Dia miadiva eny ihany ...
Amin ' ny adin' ito tany,
Amin' ny adin' ny fiainana,
Amin' ny tolona itarainana,
Amin' ny andrim- panjakana ,
Am' ireo mpanao lalàna,
Amin' ny herim- pamoretana,
Am' ny rafitra iforetana...

Ny ahy ny ady rehetra
Nomeko Ilay tsy Manam- petra
Ny ady manko dia Azy,
Dia nangina aho , tsy hitady
Na niharana hafa vahaolana .
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
1623 3
Hevitra mandeha
andriary ( 15/03/2005 14:21)
Ho an'izay te-hifamono
Mifamonoa raha te-ho faty
Hifanendy sy hifampitono
Hifandratra hatrany anaty
....

misaotra amin'ny toe-tsaina feno fahalemana ry anicet a!
ao tsara ny tonokalo!
omeko dimy
Miarantsoa ( 15/03/2005 16:19)
Tadidinao ?
Hoy i Paoly hoe :Fa ny heriko dia tanterahina amin' ny fahalemena .MAinka aza sitrako ny hirehareha amin' ny fahalemeko mba hitoeran'ny herin' i Kristy ato anatiko.
II KOr 9 :12
Misaotra an' i Andriary dia mankahery anao koa !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01