You are here: home > Vetso

Antsy - Miarantsoa Anicet

                   ANTSY
Tsy hahavita n' inoninona
'Zay antsy fitonao:
Ny iray hanapa- tanana,
Ny iray hanapa- tongotra,
Ny iray hanidy vava,
Ny iray hamono maso;
Dia ny sisa?
                 -hanindrom- po !
Eisy !
Tsy hahavita n' inoninona
'Zay antsifitonao.

Fa tiako loatra izany !
Izaho ' lay mitomany.
Ho sasatra eo ianao
Fa tiako loatra izao .

Tiako loatra ireny
'Lay mody tsy miteny.
Tiako loatrta iny ....
'lay foana omena tsiny .

Tiako ho' aho ry aina
Izaho ilay ankahalaina.

Eisy !
Tsy hahavita n'inoninona
'Zay antsy fitonao.
Na firy hanindrom- po
Na firy hanimba saina.
Ho tiako avokoa
'Zay lazainao tsy ilaina.

Ho tiako avokoa
Afa- tsy FITIA.
          MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Ady, fiainana, FITIAVANA

Hevitra mandeha

andriary (20/03/2005 11:17:52)

antsy fito?sari-teny maminany hevitra fihetsika na teny mandratra!mieritreritra ela vao azo tianao ambara!tsara rehefa tsy matahotra ra Anicet a!

proost (13/04/2005 17:58:24)

gaga amin'ny hakanton'ny sangan'asanao aho vitsy ny mpa
noratra manana talenta kanto toy ny anananao mandra-pihaona

Hametraka hevitra

Midira aloha