You are here: home > Vetso

EFA NAHITA VOLANA ? - Miarantsoa Anicet

Efa nahita volana aho ry zanako .
Dia..Volana mihosin-dra
tao anatin' ny alina
Mihosin' arina .

Indro izy misandratra
Avy ery amin' ny fiposahan' ny
           Masoandro
Hanazava ny ato am- poko
Fa hanamainty ny aty-saiko .

Im-betsaka aho no fanina
Fa novainy ho oloanina
'Zay fototra taretra
Eny an- dalana mpitsetra.

Dia...
Efa nahita volana aho ry zanako
Volana mihoson' arina
tao anatin' ny alina
          Mihosin- dra .

Indro izy mitsatoka eo
An- tampon-dohanao:
Hanamaloka ny foko
Fa handrehitra  eritreritra .

Ny feoko efa farina
No indro mitankarina,
Rehefa mitanisa
Ny Edena ..Paradisa .
   Volana !
      Alina!
          MIARANTSOA ANICET

Hevitra mandeha

nikopol (06/09/2005 12:39:38)

Tiko ary nomeko isa 5

bichette (06/09/2005 16:44:28)

tsara be

Hametraka hevitra

Midira aloha