Fanatitra (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANATITRA
Hasiako voninkazo ny tratranao mitony .
Mavana ny raviny fa mena koa ny vony.
Moana anefa ianao tsy afaka hisaotra.
Te hanomboloa koa fa tsy afaka hanoatra.

Handona eto ihany ny ratsandrantsan- tanako .
Tsiaro dia mamangy . Mamangy anao fananako.
Tomany foana sisa no fibada ianteherana ,
Dia kalo ho anao feno sento sy fitserana

Dada ô ! Inty aho manontany :mba aiza kosa Raiko
Ny lalana mankany ?tsy mino ho' aho ny saiko .
Tsy mino arirariran' ny dongam-pangalarina ,
Tsy mino vovobovoky ny nofo rtsy tafarina .

Moa izaho hanantena ny tenanao hitsangana ?
Vizaka ny molotro , ny tanako efa mangana .
Ny amboara nentiko , Dada ô , milofika sahady.
Ra' ts' izany kosa hofàny aho mba handady.

Farafaharatsiny : mba raiso ny fitiavako ,
Ho zezika hampirobo ny anjara zara lavako .
Dia indro aho maka vovoka amin'ny nofo miparitaka
Dada ô ! Mino aho fa ho faty ny fasana mpamitaka.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1576 1
Mpakafy: chipie1
Hevitra mandeha
hery ( 01/12/2004 17:15)
Oups... tena valalanina aho namaky ny tononkalo. Tena tsara.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183