Fiononako (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIONONAKO
De ...Indro aho mahatsiaro;
Mahatsiaro fa hoe : hadinoko , hono, ianao.
Kanefa ...Io savao
Fa mifamahofaho
Ao anaty lohako ao:
Eritreritra sy hao.

Indray andro aho nanonofy...
De nofiko , hono, manko
Fa nanonofy ahy ianao.
Kanefa ianao ve izao
Mba hoe matory akory?
Fa tsy mihanoka hasambarana ,
Any an- tany tsy hifarana?

Ny ahy ny hasambarako
Dia ny manonofy anao.
Fa ny tohin' ny tantarako?
Injay manandrinandrina ao:
Hiezaka aho hivetso
Na eto ianao na tsy eto,
Hiezaka aho hitia
Na tia ianao na tsia.

Ny ahy ny fiononako
De rehefa mahatsiaro
Fa tiako manko ianao.
Saingy izaho tsy tiana.

Dia...faly aho rehefa miaina
Ny fitiavanao mamono.
Dia ...faly aho raha misaina
Fa manerana tontolo
Misy iray ho fiononako.

Any ambadika any ho any ,
Tsy lavitra ahy akory ,
Fa eto manoloana
MIsy olo- mampisaona .

Fiononako ianao iny ....
Ampy ho ahy !
Fa ny fon' izato foko ?
Tsy manam- po intsony
Hitia ankoatra anao .
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - FITIAVANA
1415 3
Hevitra mandeha
vetsoko ( 30/07/2005 16:41)
tsy misy ny fiainana tonga lafatra
na koa hasambarana tsy hiserana;
izaho efa nahita mnafatrafatra
fa tsy hisy mihintsy ny fanaperana.

...TSOA (vetsoko)
fiaritiana ( 03/12/2005 13:47)
tiako be ity tononkalo ity ry Miarantsoa a!sady anarako koa izy io!tena tiako be!!

fiaritiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114