Ho anao ry malahelo (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO RY MALAHELO
Ho anao izay malahelo
Sy ory lalandava...
Ho anao izay malo- tava.
Ho anao izay....
Miaritra ny eson' ny tiavina tsy tia.....
Ho anao izay ory ety.

Ho anao ry malahelo !
Ho anao mahantra indrindra
Niniana ampahoriana...
Ho anao tsy mety tiana...
Ho anao indrindra ity !
Ho anao ' lay nofitahin'ny
Fitiava- mahapahina.
Ho anao indrindra ity :
nahita Ilay Tiako aho ,
Tiako koa ho anao .
'Tiako Mampionona .
Tsy haiko hoe tazonina
Ho ahy irery Izy...
Zaraiko mba ho anao .
Izy tsy olombelona...
Izy izay tsy hamitaka.

Ô !nahita Ilay Tiako aho .
' Lay Tiako Mahagaga...
natao mba ho ahy mihintsy
Niandry ahy ela be .
Ô ! 'Lay Tiako niandry an' ahy...
'Lay Mendrika ....Fanahy ;
Ny Tompoko Tsitoha,
Raisiko ato am-po
Fa natokana ho ahy ...
Zaraiko ho anao rahalahy.
'Lay Tokana Mpamonjy ...
'lay Ampingako na Longy...
Ilay Tokana ianteherako ...
Miandry hatramin' ny fahanterako ...
Andriamanitra Mahery
'Lay Mpambomba sy Mpijery ...
Tiako loatra Ianao
Ry hany Tiako tsy handao!

Ho anao rahalahy malala....
Izy irery Ilay Fandala .
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - FITIAVANA
2440 3
Hevitra mandeha
bichette ( 14/03/2005 18:46)
misaotra Anicet a ! fijoroana vavolombelona be izany ataonao izany
bichette ( 14/03/2005 18:47)
élà tokoa angà advantista?
jentilisa ( 06/09/2005 15:10)
Dia ahoana moa izany ilay olombelona satria izy tsy mba olombelona? Ilay antsoina hoe Jesoa io?
Miarantsoa ( 13/09/2005 08:04)
Andeha ary hovaliako hoe : raha mbola mitady fitia amin'olona ianareo dia mahantra indrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174