M'IANDRY (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao aty miandry !
Miandry an ' Iandry.
Miandry azy isam- bolana .
Izy tsy mivolana...
Tsy nanoratra intsony .
Lasan'olona ny fony ?

Miandry toa an ' ahy :
Mitaintaina sy manahy .
Te hitsena azy isam- bolana.
Mbola tia mitonatonana.
Izy maro mpankafy :
Soa ianao raiki- pitia .

Aty ianao mandany andro;
Rehefa mody ny masoandro
De manembona an' i Janga
tany ianao nijanganjanga.
Tany ianao ilay nampijaly .
Ankehitrio izy io mivaly.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143