Miboiboika (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIBOIBOIKA
Ô ! Ry lavaka fatsakana!
Izay nohadian' ny mpanao lalàna ,
E... miboika mangarangarana,
E... miboika ka tsy mifarana:
Rano mamy e mba hosotroina
Ranomanitra hamboloina .

Nohirain' ny zazavavy,
Noredonin' ny mpianakavy,
Noventesin' ny mbola zaza :
Nolavahan' ny manan- kaja
Tam' ny tehina fanapahana.
Dia veloma amin' ny fahafahana.

Dia masina e ry Tomponay ,
Ry Mpanjaka Mandrakizay.
Omeo rano e hamelon' aina .
Rano hiboika hatrany an- tsaina.
Tsy mandram- pihaona ry hetaheta.
Tsy mandram- pihaona f 'izay no fetra.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1326 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 07/02/2005 15:32)
Izay mety ; aoka izy hisotro maimaimpoana amin' ny ranon' aina !
Apok 22
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015