Misarintsarim- borona ny rivotra (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISARINTSARIM-BORONA NY RIVOTRA
Misy vorona mandrangotra
Ao an- tafon- tranoko ao .

Misy vorona mamerina
Fa izaho ' lay tia anao .
ary ianao ilay tia an' ahy .
Ô! Vorona tsy tiako
Fa hovonoiko io rahampitso!

Misy rivotra manditsoka
Toa mitsoka , toa miritsoka
Miritsoka anarana
Dia 'lay anaram- pahasambarana.

Misy rivotra mamerina
Fa ianao 'lay tsy hiverina .
Misy rivo- mampangoly
Itony foko oriory.

Tiana a!
Fahiny ho' aho
Nisaritsarim- pararano
Ny ririnina ato an- trano .

Tiana a !
Ankehitriny ho' aho
Misarintsarina ririnina
Ilay fararano nampirinina .

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1189 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161