MPAMADIKA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPAMADIKA

Mamanara mamanala
Ny volana ao an' ala .
Mamiratra aoka izany
Ny vorona any ho any.
Mampalahelo irony hatsiaka ,
Any ivelany any izy
lanin' ny alika.
Lamba marobe
Tinafin' ny parasy.
Mitsambikina fandeha :
Voky ra ny malagasy.
Eo ambonin' ny fandriana
Misy olo-milomano.
Misy trondro mahavariana:
Mandry irery ao an- trano.
Manovo ireo tomany
Avy ao anaty siny;
Miraraka min-tany
Ny divain' olon-tiany.
Zazakely mitondra angady lavalela,
Mibaby ramatoa vao menavava.
MIARANTSOA ANICET
Ambohimarina Itaosy
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
2257 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hevitra mandeha
hasiniony ( 18/02/2011 12:25)
Tononkalo tsy natao ho an'ny valalabemandry toy izao,
no ahatsapana ny fifanongoavan'ny vovokainan'ny Mpanoratra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144