Onja monja (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Topy maso kely monja
Dia efa hafatra mafonja
Manambara fa ianao
Ilay nandrasako hatrizao.

Topy maso kely monja
Dia afaka hampanonja
Ny fiainan' ny fitiavako,
Ka hanaiky anao ny vavako.

Tiana a ! Eto anilako eto
No tany tsisy sento.
Dia eto akaikinao
No Edena vaovao.

Tiana a! Eto anilan- dry
No ianarako mitia.
Hamerina ny saina
Hifahatra amin'ny aina.

Tsy ho nofinofy intsony
Ny hahitako vony
Midorehitra fitia
Mandritra ny doria .

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
1772 2
Mpakafy: Miarantsoa - sakabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146