Orana manaitra (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORANA MANAITRA

Vao maheno aho hoe : orana
Dia indro fa mangorana
Ny any anatiko any.Mahatsiaro miherikerika
Raha 'njay mandre hoe erika.

Paika-toka-monja ao an-tafon-tranoko ao,
Manomboka ny hira ; arahina talaho.
Nahiratra ny saiko. Taitra teo ny tory.
Lasa ny alahelo , lasa koa ny sory.
Indro ny eritreritro mamonjy anao ry tiana.
Dia nofinofy mamy no mamonjy anao mangiana.

Tany tsisy akory no foroniko eto izao.
Banga loatra manko rehefa lasa ianao nandao.
Lohasaha iray feno voninkazo ,
Tendrombohi-mavamavana, menamena sady mavo,
Eo an- tokontanintsika misy foko sy ny anao ;
Tsia ! Tsy tany noforonina fa tany iray vaovao.
Dia ny voninkazontsika mamelana fitia.
Dia ny voankazontsika , tena mamy ; fy ery !
Raha ny hazo fihinam- boa ....
Moa tsy vokatra ao ny fo?
Dia ny foko menamena !
Azo ongotana ...Omena.

Eo an- tokontanintsika...Sambo iray misebiseby
Moa va tsy ny foko mbola ao mirediredy?
Dia .. Lakam- boribory mihantona eny an' habaka.
Isarazoko mora rehefa alina no miavaka!
Mampita antsika mora hifanatrika , hiteny .
' Lay kaky havako iny...Ny valiha e no tendreny.
mandrotsirotsy antsika mba samy hahita tory.
Veloma indrindra tiana! Tsy manadino akory!

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1429 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hevitra mandeha
NyKanto ( 26/01/2005 18:00)
Mahalasam-borona...tsara eh!
Mazotoa.
Ny Kanto
vetsoko ( 27/01/2005 15:40)
ngeza izany fitiavan'ise izany!!!mahereza ry se a!dia aza atsahatra ny kalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148