RAHA TIA AHY IANAO (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TIA AHY IANAO

Raha tia ahy ianao
Dia aza manindao.
Aza mihevitra ny hihery,
Aza mihetsika mahery;
Tolory ahy moramora
Ny fonao ry tanora.


Hiandry anao aho androany.
Hiandry an-tokontany,
Hampandrosoiko ianao,
Ho ao an’efitro ao!
Hosorana tantely
Ve ny zanaky ny Anjely?
Hovontosako orokoroka
Fa zaza vao maroroka.
Avelao aho hiondan-tsandry
Ry tiana sady zandry.

Avelao aho mba hianoka
Fitia izay safononoka.

Hitia anao aho androany,
Hitia anao hatrany.
Hatrany am-paralalin’
Ny nofy ts’hay takarina.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
3526 3
Hevitra mandeha
hasiniony ( 10/02/2011 10:40)
Omaly...
Tia anao tokoa aho ka navaloko avoko zay rehetra hevi-dravona
Fa ny tato am-poko indrindra no naborako ho anao
Saingy! asa fa tsaroako toa nifono teny anavona
Ny famalinao izany ka izay no nahatonga fierena... nanindao


Androany...
Fantatrao fa lalako eto rehefa izaho tratra hariva
Dia indro ianao nanova paika; nampandroso hafahafa
Kanjo tena zarako aza ny hihaonana aminao fahavalo sady ziva
Ny tantely mamy ihany fa niriko ela be ny orokao ho latsapaka


Rahatrizay...
Ianao ka tena tia ary mahalala zandry
Ka hiangatra ny ho azy fa tsy faly hiondan-tsandry
Amin'izay fotoana izay dia ho tretrika aho rahavako
Fa na ela aza ny ela; dia tafita ilay fitiavako





hasiniony ( 10/02/2011 10:51)
Teto am-pamakiana ny rari-soratrao aho r'I ANICET no niezaka ny HIAINA AZY azy ka nomeko AINA! (aingampanahy tsy fantatro!!!)
kiriah ( 13/02/2011 19:22)
otrizany mintsy ny tononkalo tiko , manakarena voambolana sady mirindra no mandrotsirotsy , tena masaka fa tsy teriterena ohatrin ny voalobo-jaza , MISAOTRA E!
hasiniony ( 24/02/2011 11:58)
kiriah!
Olon-droa no noheveriko fa mpilalao fototra eto kinanjo ny fidiranao antsehatra no nahatsapako fa hay ianao ilay tokotelo mahamasaka izao nahandro izao...Tampany ihany tokoa ny aingampanahin'ny mpanoratra, fa ny mpankafy izay mamaky no manovo azy ho erany!
Tena mankasitraka...
Miarantsoa ( 29/04/2011 17:59)
Msôtra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011