Tiako ialahy (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako loatra ialahy !
Tsotra toa an' ahy !
Ka ny orana avy ambony
Na ny kotroka sy tselatra...
Tsisy henoko intsony
Fa foko izay mivelatra ,
Sy vonto manantena
No indro menamena .

Tiako leitsy ialahy
Ilay silaka fanahy
Angatahiko amin' ny Ray .
Ô! Mendrika izy izay .
Izaho tsy mila bika ,
Tsy mila koa hoe endrika
Salovanao sariaka
Dia ampy haharendrika .

Tsy afaka ato an- tsaiko
Ilay endrikao lalaiko .
Vao hitako voalohany
Dia fantatro fa tiako .
Nalahatra ho lohan' ny
Zava- tena iriko .
Vao henoko ihany koa
Dia latsaka ato am- po .

Tiako loatra ialahy
Ka asa raha ho sahy
Hiara- dalana amiko !
Iriko mba ho mamiko .
Hametraka tantara
Eto anivon'ny fiainako .
Andriamanitra hitsara
ra' ts'izany no fisanako !

MIARANTSOA ANICET
15 Février 2005
Tiako ialahy !
Tsy manan- kotenenina fa ....Tiako ialahy !
--------
Rohy:
1094 2
Hevitra mandeha
Iony ( 19/02/2005 17:30)
Voavakiko daholo ny tononkalonao ary tohizo fa tena manan-talenta tokoa ary mahereza e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137