TONONKALO (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo toy ny kalo...
Hirahira ivaiva....
Nofinofin'ny fahiny.
Aiza intsony i "tsisy tsiny" ?
Injay mangina ny maraina :
Tsisy intsony zaridaina ,
Foana teo voninkazo,
Ny ririnina mandazo ...
Lava loatra itony hatsiaka .
Injay manembona isika ...

Tonokaloko mandalo ...
Hirahira miovaova .
Nofinofy tsisy tsiny :
Mitanisa ny fahiny ,
Indro tonga koa ny alina :
Volana mihosin' arina .
Banga eto ny toeranao ;
Tsy himpody fa nandao...
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1652 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hevitra mandeha
johan ( 13/06/2006 11:20)
fa lasa aiza izy eh?
mahafinaritra le tononkalo.
fiaritiana ( 13/06/2006 18:30)
inty aho e!!hihihi
tsara be!!
fiaritiana ( 13/06/2006 18:31)
inty aho e!!hihihi
tsara be!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145