...Meteza... (Mie Tamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na aza tsy hisy intsony,
Olona afaka hitia anao...
Dia meteza tsy hiaritory,
Amin'izay fitia kilalao...


Na eny fa mandratra,
Izany fo voatosika...
Meteza ho voaratra
Aza kanefa milofika!


Na hisento aza aloha,
Mandritry ny fotoana kely?
Meteza hampionona ny fo,
Hanasitrana ny fery


Ataovy kotsa ny ondana,
Raha zay no farahery...
Fa aza izay olon-tokana
No hikipiana,hampalemy...


Fa ny anjaranao tsy aiza,
Fa tsara toerana any fotsiny...
Meteza hitraka moa sakaiza
F'izay no hany fanafodiny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
734 2
Mpakafy: SederaMioty - mrado2
Hevitra mandeha
SederaMioty ( 24/12/2017 02:56)
Misaotra anareo mpankafia ny tenako.Misaotra manokana an'i #Mie Tamby ny tenako nanaiky ny hizarako ity tononkalo ity wan'ny mpankafia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mie Tamby
Nampiditra : SederaMioty
Daty : 24/12/2017 02:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144