You are here: home > Vetso

Sambatra .... - Mimine

SAMBATRA ...

SAMBATRA AHO FA MANANTENA
TOMPO IRAY MITIA AHY
SAMBATRA AHO SATRIA NIHENA
NY AHIAHIN'NY FANAHY

SAMBATRA TOKOA VA RE ?
ENY, INOAKO HO TO IZANY
LAINGA MANTSY RAHA NY HOE
SAMBATRA NEFA TOMANY...

SAMBATRA AHO FA HENIKA AZY
NY ATY FIAINAKO, NY ANDROKO
SAMBATRA AHO, TSY VAZIVAZY
MAMIRATRA NY MASOANDROKO.

SAMBATRA AHO FA TIANY LOATRA
NA DIA TSISY TIA INTSONY :
HAFALIANA NO MITROATRA
NY FANAHY INJAO MITONY !

TENA SAMBATRA TOKOA
NA DIA HOE : MIROHY SENTO
SAMBATRA AHO FA VALISOA
NO MIANDRY AHY AVY ETO

Sokajy : Vavaka, Vavaka, Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : Mimine

Nampiditra : Mimine
Daty : 04/11/2004
Mpamangy : 766
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fitia

Hevitra mandeha

bichette (04/11/2004 13:07:44)

mimine > tiako be ilay tononkalonao.

NyKanto (04/11/2004 13:52:49)

Sambarà tokoa,
Fa ny tompo Tsitoha
Dia mahatoky hatrany.
Koa sambarà hatrany!

Hametraka hevitra

Midira aloha