Hevina ihany (Misa Randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atsiha e!
Dia evina ve sa akon'ny lavitra saindra tsy nahy.
No dia nampitondra fitserana lalina ho ahy
Sa?...rivo-masika nanetsina ity volon'oroko
Ka nahatonga ity fanontaniako hivoaka izany molotro

Fa nahoana ary ho aho ireo takoperin'ny fanadinoana
No dia ho sitran'ny fiainana misy
Dia mbola ho voatohina hiedaka foana
Hanampy ny jaly sy ny ratra efa misy

Atsiha e!...
Dia misy mifosa ary ve ireo mpandalo
Sa?...tetindratsin'ireo fahavalo
No avy milaza dieny mialoha
Nefa any inona?......hevina moa...
.......................tsy hay porofoina


Fa anjarany foko ny mievina anio
Fa anjarin'ny kosa,....Eny azy irery
Fa hono ho aho ry hafatra nentin'ny rivo-dadiho
Dia tonga ampoko fa saingy miery


Fa ho tsapako kosa any izany mahatsiaro
Ny hafatra anatin'ny embonareo
Ary izao ny ahy,...ny hafatra tsy mifangaro
Tafita hono hoe ny hafatrareo
Ilay hafatra nentin'ny hevina teo

Atsiha e!...

Dia mbola misosoka ity fanintelony
Angamba ary ve?izaho ny alahelony
Tsy fantatro akory
Tsy misy mpanoro
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1074 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Misa Randria
Nampiditra : lehmm
Daty : 09/07/2007 08:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143