ANY AMINAO NY MAMY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa fitiavana izany, tsy hay ny hangina
raha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana.
Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito
Voaanika hatrany, mety ho tonga im-pito

Fa adala izay tia ka tsy mitango 'lay voasary
notadiavina hatrin'ny ela, notehirizina toa sary
ireo volony misafoto, mandrakotra ny ondana
dia fitiavana ihany koa, handravana izay olana.

F'ito masony mijery, anaty rahon'ny fitia
hitarafako ilay hay, mitazana mankafy
izato adin'ny fitia tsy ady hanatakata
fa hianako mihintsy toa ny basy mitatata.

fa ny fofon'ainy miantefa mafana amin'ny hatoko
manpitsangana ny volo rehetra amin'ny vatako
Ny hatsembohona mikoriana, mitsotsorika mandady
tsy mahafaty izany afo mandoro vatana miady

Fa na fiakarana io na koa fidinana
tsy manempotra mihintsy fa sakafo fihinana
rehefa tojo ilay tiana, notsiriritina hatry ny ela
na miaka-midina aza io, tsy hasiako zay tavela

Eny amin'iny olona iny, 'lay notiaviko mamono
no hitosahan'ny fitia, ranonaina toa ronono
fa kanto ianao sady tokana aman-tany
ka hilalaovan'ny fitiavako...fa avy aminao ny mamy.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
997 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 05/08/2010 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183