AOKA ALOHA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako ilay teny, mitotoa koba hatavy
Fa tsy ho very hankazo tokana ianao akory
Te hihomehy aho, raha mba fantatr’izy ireny fa ny ho avy
No indro fa nafoy, tsy azo atao hoe sambory.

Te hiezaka aho ny hino, fa hisy fanafody
Entin’ny ampitso, tsaratsara no ilay teo
Fa ny fantatro aloha, dia malaina aho ny hody
Hamoha varavarana, ka ho gina tsisy feo.

Ilay tontolon’ny omaliko, nanamboarako ny ampitso
Nokoloiko tamin-tsika, nandreseko ady mafy
Dia hilaza ilay feo, fa tsy misy tsy ho diso
Ilay fitiavako ve ? tena kanto gasigasy.

Rehefa iny izahay tafaraka, tsofin-drivotra malefaka
Ireto volony olioly, haevaevan-drivotra
Ny ao anatiko ao injao, tsy tafatombina tsy mipetraka
Bitabitaka aok’izany, velon-kira miovotrovitra.

Izany bikany ve re olona, bakobako aok’izany
Milatsilatsika famindra, mampientana fanahy
Mampanadino ny tontolo, fa eto anilako eto ihany
No paradisa eto an-tany, tsy misy mampanahy.

Koa aza mbola hiresahana teny fampiononana
Ity foko vao nitia, nilaozan’olo-tiana
Fa maharary ahy loatra, ny hanadino hanafoana
Ireny lasanay rehetra, ho tontolom-pahoriana.
--------
Rohy:
1376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 13/09/2010 15:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1848