EMBONA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ato anaty fiara ndeha hiasa no indro fa mipoitra
Ny embon’ny lasa nototofako hangina
Fa ny rivotra mitsoaka no vao maika mampivoitra
Ny lasana niainana, tsy mety hampanginina

Anivon’ireto olona maro toa vonona hiasa
Ny fofonao tsy foiko, mipololotra manim-pofona
Manenika ny oroko, mamikitra tsy lasa
Manjohy lalandava, ny adiko sy tolona

Fa fitaka ny tazana, ny endrikao mitoetra
Ny manodidina mitsiky, mampatsiahy ny fahiny
Ny fiara izay mizotra, mampatsiahy ilay toetran-
Tsika tsy mahatombina, mila vaniny iny

Mahavariana ny embona, hingain’ny tsiahy
Fa na anaty fiara aza, manempotra fiaina
Resiresi-tory, voa rotsirotsy tsy manahy
Mianoka ny embona sy ny lasa mba niainana
--------
Rohy:
Sokajy : embona
971 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 17/08/2010 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149