ESO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zary eso ato am-poko, mankararirary ny fanahy
Ireo teny hoe “mamy”, nifanolorana fahiny
Tsy tantiko mihintsy, fa mandrerandreraka ahy
Mahasavolaina, mandrakotra ny ankehitriny

Te-hivadika voabolana, hiantsoiko izay malala
Tsy hampiasa intsony, ireo izay fitenin-tsika
Tofoka tanteraka aho, ary aleoko tsy mahalala
Izay mety ho lazaina ataonao mety ho bitsika.

Fa ho inona moa ankoatran’izay voalaza
Tamin-tsika niaraka ireny, no mbola tsy fantatro
Fa izaho tena tia, saingy ianao toa mbola zaza
Manao kilalao, manokonoko toa katro

Anio tiako ianao, avonavona omaly
Rehefa eo akaiko indray, o ry tiako malala
Nefa anie ‘zato fihetsika, ‘zay lazaina misy havaly
Tsy fantatra intsony, fa mampisalasala

Ka aleoko miova, hamadika ny pejy
Tsy haditra akory, ka ndeha hiofo toy ny lolo
Fa ito foko naratra, tsy ho sakano tsy hikarenjy
Mba hitady ilay tiany sy ilay mba mety hisolo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 25/08/2010 10:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144