FANILO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa jiro mitsolopy, no manazava zato efitra
Miezaka ho fanilo, hijoro tsy hilefitra
Na avenavenan-drivotra, ato anaty aizina
Mikiry hatrany tsy manaiky, tsy azo laizina

Fa na taratra kely, hazavana mitsilopy
No mba hananany hiady, dia mijoro mahatoky
Mba ho fanilon’ny aizina, hanazava manondidina
Hianteheran’ny tontolo anaty fahanginana

Fa am-poko ao koa, misy jiro mba mirehitra
Mitsilopy anaty embona, tsy manaiky tsy mandefitra
Mitsilo lalandava, izay làlana ho diavina
Hitaratra ny ho avy, handresy zato aizina

F’ity jirom-pitiavan-tsika, mbola harehitro eto foana
Harovako amin-drivotra, mety hitsoaka hanafoana
Izato taram-pitiavana, nanazava hatrizay
‘lay fitia nifanolorana, tsy nandoro na nahamay.

Ho fanilo hanazava, izato làlana ombana
Dia ireo dina nifanolorana, ny voady tsy hangalana
Fa na nitsolopy aza, ny ho avy tamin-tsika
Dia ny hazavana entiny, hamiratany hibaliaka

F’ilay fitia nifanolorana, no fanilo tamin-tsika
Mirehitra lalandava, ao am-po tsy mangatsiaka
Ny hafanan’ireo teny, nokasaina ho doria
Ny tontolo hiainan-tsika, dia tontolon’ny samy tia.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1114 1
Mpakafy: rhayman
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/08/2010 17:41)
Ny jiro...io, tsy maty
Ny vavahady mbola tsy mihidy
Ilay fitiavana ao anaty
Moa tsy harena sarobidy ?...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 30/08/2010 10:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151