FARA VODI LANITRA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro dify ambadik’ito havoana
Ilay masoandro, mpanjakan’ny hazavana
Mandefa fara-parany, izato tarany fa hisaona
Ny tontolon’ny hazavana, ho dimbiasina tsy tana

Rivo-drivotra mangatsiaka, no injany mitsoka
Mampitsangam-bolo ahy, hitady hafanana
Anatin’izato aizina, tonga mora ka mandrotsaka
Fahanginan’ny voary, hisentoan’ny tsisy namana

Indreo ireto rahona, mitara-bolamena
Mitsitokotoko mitandavana, tsy taka-maso
Mampatsiahy ny any lavitra sy ‘lay tokana nekena
Anaty embonembona, enti-drivotra manasohaso

Fa manina hono hoe ‘lay tokana an-tany lavitra
Ka misento samirery, mahatsiaro ny tànana
Izay nilaozana an-tomany, fa mbola hiverina finaritra
Eo anivonao ihany, marary tsy tamana

Fa any ianao r’ilay tiako, ‘lay tokana malalako
Eto am-pitazanana iny vodilanitra iny
Aho te hamihina ilay vatanao ny tanako
Hifanolotra fitia, kilalaon’ny fahiny
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
903 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/08/2010 17:35)
Tena ankafiziko. Misaotra nizara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 30/08/2010 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158