You are here: home > Vetso

FIONONANA - MiséVonjy

Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambarana
ilay notiavina am-po, nantenaina ho namana
ka na ireo teny tiana, am-bava nifanolorana
zara latsa fahoriana, fangady hamongorana

roa taona no nitiavana, safononoka ny fo
saindy indrisy fa ny làlana, nisaraka ho roa
mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitia
indro tany babangôna, no anjarako nitia

soa ihany fa ny fo, tsy tanalahy akory
fa mahay mikaroka ny soa, ilay tsy maha ory
hisaona izy anio, hitafy lamba fisaonana
hinoako kosa fa ambadik'io, tsikitsiky no fihaonana

fa any ho any, ilay fitiavana mila namana
mbola hiandry ihany, miandry tànana
hotolorako ilay tsy tiana, tsy ho roa taona
fitiavana hifamaliana, hiaina zato taona

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 09/08/2011
Mpamangy : 1289
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA

Hametraka hevitra

Midira aloha