HIDERAKO ANAO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masoandro ‘zay miposaka, mandefa izato tarany
nandresy aizim-pito nampahory, ireo lavi-tiana singan-drery
hiderako Anao daholo, na tsy fantatro aza ny lalany
fa asan’ny tanànao ireny, hita maso tsy miery

Ny volana baliaka solon-jiron’ny tsy manana
manazava ny kianja, hiravoan’ny kilonga
hiderako Anao ihany koa, handefasa-kafatra ho any namana
an-tany lavitra tsy hita, hirariana mba ho tonga…

Ny kintana an’alin-kisa, an-danitra avo eny
toy ny rado hiambozonana an-tendan-jazavavy kanto
hiderako anao foana, tsy hisafidianako ny teny
hikaloko ny fitiavana amin-kira izay milanto

Fa ny adin’ny fiainana, sedraiko isan’andro vaky
indraindray mandreraka, mila hahakivy izany fo
hiderako anao hatrany, na mafy mila tsy ho tanty
fa efa nosoritanao ho anjarako, dia anjarako tokoa

Fa na iny olon’iny ilay notiaviko tsy nihamba
tanatin’ny an’alin’alina, notsongain’ny fo tia
hiderakao Anao mihintsy, fa tsy nasiako angamba
fa ny hiran’ny samy tia, no ventsoina ho doria

Ireo adalana samihafa, tsy nety resiko indraindray
noheveriko fa ho ravaka amin’ito fianana mandalo
hiderako Anao na izany aza, fa nandoro sy nahamay
ka nanitsy izany lalako, fa nandreseko fahavalo

Ireny rehetra ireny sy ny sisa tsy voatanisa
larolaron’ny fiainako, namolavola ny ho avy
hiderako Anao mandra-pialako, hamonjy ilay paradisa
hantenaiko ho fonenako, rehefa hody ity mpiavy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Vavaka
1189 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 07/01/2011 16:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142