HISAONA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lamba ny fisaonana no indro handrakotra
ity foko izay nitia, vontovonton’alahelo
nefa tsy ho mainty na dia mafaitra loatra
no hanarona ny fianako sy handroaka avelo

Fa ezahiko ho hafa, tsy ho fotsy akory
satria ny foko naratra tsy maintsy hanolatra
ho vato fehizoro ny foko oriory
sy ny sentosentom-poko, tsy omby tratra

Ny mena tsy ho mety na naratra aza aho
fa mba nisy ihany ny fitia izay natolony
sy mba niainako izany tia..tsy mba nankalao
nanofisako ny ampitso…saingy teo himolony

Ny maintso ary ve fa hoe fanantenana
ny ampitso vaovao, hitondra rivo-pitsikiana
saingy ity foko, njao mihanahana
tsy te-hiova loko na rako-pijaliana

Fa ny any azoko lazaina, hisaona aho aloha
hangina tsy hiteny, hanofy ny andro lasa
k’ilay fitia ‘zay toro, halako tsy an-doha
ho vata-patin’ny fitiavako, halevina tsy handatsa
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
931 0
Hevitra mandeha
tiarah ( 19/08/2010 05:54)
Lalimpaka fa maivamaivana mahafinaritra....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 18/08/2010 13:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097