ILAY HIRA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay ilay hira, nolazaiko anao, atao fahatsiarovana
Fa na lavitra an-dakira, mbola an-tsaiko ao, ny ora nolalovana
Tsaroanao ve, saika lasa vazivazy, ireo tonony nohiraina
Eny nampihomehy, saingy zary toa lasa sazy, fa tsy afaka an-tsaina.

Ianao nibanjina, nitongilana fijery, toa manontany
Izaho nangina, ianao toa irery, izaho lasana vinany
F’ireo tonony, angolain’ny mozika, mampandainga
Kanto tsisy tsininy, natao ho antsika, ….sa lainga ?

Fitiavana madio, safidy tokam-po, ho anao irery
Fa na rivotra tadio, hasomparana ihany koa, tsy nahasakana ahy hiteny
Hitanisa ho antsika, ny vetsovetso izay nambarany, fa maninona moa
Na hafanana na hatsiaka, eny na tsiky na tomany, ilay fitiavana efa am-po.

Aiza indry izao ? mba mihaino koa ve ? sa an-tany lavitra,
F’izaho ‘ty efa lao, manirery te handeha, manembona ilay hanitra.
Tokam-pofona lalaiko, hanitr’ilay tiana, lasa vadi-koditra
K’izato hira tsy haiko, kanto mahaliana, ity vatako….mangovitra.

Mitamberina ato an-tsaiko, asa ianao, ilay nampihomehy
Ireo tonony novaiko, natao kilalao, tsy nisy nandre
Ny malala natao “ianao”, tena marina, ilay tiana dia “izaho”
Ny angolany toa lalao, tena lalina, fa ravina sy taho…

Miorim-paka anaty fo, tsy tsaroana, ny tananao noraisiko
Ry tokana tsy roa, tsy ho foana, ny fitiavanao tsy nalaiko
Fa natolotrao am-pitsikina, hasambarana, no nandraisako azy
Tsisy feo…nangina, fahalalahana, nataoko anaty vazy

F’ito hira entin-drivotra, manako, mampatsiahy
Ny lasan-tsika tsy rovitra, ry malalako, fa efa ahy
Ny lasa nolalaiko, ny endrikao tsy maty, voatahiry anaty boky
Ny tonony tena haiko, voatahiry hatramin’ilay daty, nifanomezan-tsika toky

K’injay hoy aho ry malalako, ilay hiran-tsika, toa mitanisa
Ny omaly tsy navelako, hanafana ny hatsiaka, tontolo paradisa
Ny loko entiny anio, baliaka aok’izany, endrey izany gadony
Dia ilay fitiavan-tsika nadio, na dia kotsa-tomany, mbola nofonosiny.
--------
Rohy:
1910 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/08/2011 12:06)
"Mba tsaronao ve ilay feon-kira iray...
Mbola tsaroko miaina ato anaty
Ny andro sy daty
Ny namoronanao io hira io
Ka tadidio anio"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 08/08/2011 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108