INY VOLANA INY (MiséVonjy)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako tsy afaka an-tsaiko, ilay iska mba nijery
sady nino mihintsy, f’izato endrika nasehony
dia olona mitia, tsy mba niafina nihery
fa izao tontolo izao, no zary vavolombelony.

Fa na ny tarany niantefa, nanazava izay maloka
dia ninoan-tsika ihany koa fa fanilon’izay ho làlana
ka nampisinda ahiahy, sy nampa-marina ‘zay meloka
tanatin’iny alina iny nisakambinan-tsika nahalana

F’izato sary nojerena, dia nazava novakiana
fa tsy olona anankiroa, dia ilay hoe mitoto vary
fa tontolon’ny fitiavana, olon-droa mifamihina
an-danitra avo eny, ‘zay tontolo lavorary.

Mitamberina ‘lay teny, voalaza tsy nahy ?
fa eny an’habakabaka eny, fiririavan’izay tia
ventsoventso moramora : ianao dia ho ahy
nangorintsina ny sofiko, ilay vatako nalia.

Dia indro aho mbola mijery, iny habakabaka iny
mamisavisa samirery, mahatsiaro ny fahiny
fa kanto ny mitia, tarafin’iny volana iny
fihinin’olo-tiana…o ! ry lasa tsisy tsiny
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fahatsiarovana
1582 1
Mpakafy: Tabiha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 19/08/2010 17:20
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149