You are here: home > Vetso

IZAHO ALOHA - MiséVonjy

Izaho aloha androany no misento sy mijaly
tsy misaraka tomany, sara-tiana ka tsy faly.

Ilay fitiavana no triatra, ilay fitafy fony tia
ilay noheverina tsy ho ritra sy nofisina ho doria.

Ho sotroiko na mangidy ´ty veloma tsy nampoizina
fa na lahatra na didy, nanala aina toy ny poizina.

Tsy ho antsoiko izany tody na hampiakarako ny feo
fa tsy maintsy hisy fanafody hikosehako ilay tsy eo.

Fa androany aloha dia izaho no kianjan-dranomaso
fa ravina saraka ami-taho entin-drivotra ankaso.

Hievaeva tsisy faka, tsisy fototra hamikirana
nefa dia fitia lalim-paka no toa niainana nahamirana.

Fa na tiako na tsy tiako, izany hira fifandaozana
no handrotsy izany diako, izaho ilay tia izay nilaozana.

Eny, fa izaho aloha androany no misento sy mijaly
nilaoza-tiana ka tomany, valabalaka tsy faly.

Fa ny ampitso tsy maintsy ho avy, tsy hay sakanana io
ho tontolo tsy miangavy, ho tontolo tena hadio

Dia ho fitiavana vaovao, no hitsiry hanori-paka
tsy hisy ny tandidonao na ny lasa no hanjaka

fa toy ny tara-bao maraina, hanazava ny aliko
hampisinda ny taraina, hazavana tena mamiko...

fa...

IZAHO ALOHA ANDROANY
...AVELAO HITOMANY

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 23/03/2012
Mpamangy : 1160
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
TSY ILANA
NIFARANA
22 NOVAMBRA

Hevitra mandeha

carinamihary (26/03/2012 08:31:18)

mandona kosa izy izany an!

Hametraka hevitra

Midira aloha