LASANA IZY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Halamiko ny foko, tsy hitroatra intsony
Hiantsoantso ilay notiavina, hikiakiaka mbola tia
Fa lasan’izy mantsy, nodioviny ny fony
Tsy hisy ny tavela, ny lasa fony nifankatia

Zary toa kely ny lalam-pofonaina
Hiainako isan’andro nony lasa izy
Tsy haiko intsony, fa toa zavona maraina
No tazan’ito masoko manao hambozizy

Hitazana iny làlana, nodiaviny faram-parany
Manantena topi-maso, na kopakopa-tànana
Fa lasana izy iny, nitondra ilay tantarany
Ny ahy navelany eto, ho sakaiza sy ho namana

Dia sentosento foana, tsy laitra hampanginina
Zary vady andefimandry, tsy mahasaraka amin’ny alina
No mameno ilay toerany, tsy azoko fihinina
Anaty alina mangina, mangeja mahafanina

Fa na dia ho sento, no sakaiza tsy mahasaraka
Sary hitoetra, hambomba izay ho diaviko
Tsy maintsy mitraka, f’ilay mamy tsy mba raraka
Dia ilay mba fitiavanay, tahiry tena mamiko
--------
Rohy:
1547 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 06/12/2010 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104