LOKO MAINTY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rakodrakom-pisentoana izany androm-pitiavana
Malomaloka daholo, izay tazanin’ito maso
Kivikivy ny finoana, tokan-doko izato avana
Fa jambenan’alahelo, mitsotsori-dranomaso.

Valabalaka ny vatana, tsy natohitra resy an’ady
Torovan-drovana ny rantsana, toa mihaiky faharesena
Tsy afa-mehitsika fa hana, mainamaina ka mitady
Ranomamy hakoriana amin’ny vatana ho lena.

F’izato manondidina, toa zavon’ny fandaozana
Maizimaizin’ny veloma, voatery ka natao
Fa zary poizina fihinana, sy natao ala-olana
Reny lasan-tsika ireny, na mafaitra aza izao.

Mitamberina toa ako, ny endrikao nihomehy
Nikarantsana tam-poko, nampitsangam-bolo ahy
Fa mamy akia tamin’ireny, tsy mba nisy izay namehy
Ilay fitiavana madio, niainan-tsika samy sahy.

Saingy indrisy ankehitrio, fa vesatra ato am-poko
Ilay fitia nifanolorana, ho doria tsy mandrakizay
Eny mantsy, eny mantsy, fa mainty sisa lokon’
Izato avana notazanina fony isika tafaray.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fahatsiarovana
1123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 19/08/2010 16:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014