MATORY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety akia ny fo, fa mikiry biby ihany
Hiaina sy hankafia ‘reo lasana omaly
Norarako fa tsy nety, tsy nahoany na tomany
No setrin’ity embona, mitampody mampijaly.

Ny fiemponempony toa sary, taratr’ady
Mandrakotra ny vatako, efa resy
Zary ravina maina, mitady seranana sahady
Hiantsonan’ny fo tia, tsy te hiampita ho etsy…

Noperako mafy hitony, tsy hitroatra
Fa efa lasa ireny, tantara tsy hitampody
Fa eh eh !, njao izy mivonto mameno tratra
Mikiry foana tsy kivy, fa izy mbola hody


Mahery ianao ry foko, resinao koa ny saina
indro mikarenjy an-tanin’ny nofy
mikatsaka ilay tiany, safidin’ny fiainana
notehirizina an-doha, fandresena rofy.

Dia indro fa hasehony, toy ny hita maso
ireny lasan-tsika, nototofana ho tantara
indrindra ianao ‘lay nitsiky, novaliako andraso
‘zao mba nitia, gina tsy nahita ambara…

teo anilanao fa nanonofy, tsy nety nino
f’ianao ilay nosainiko, hiankinako tia
no indro sakambiniko…malefaka fiteny: fihino
zato vatako anao, r’ilay tiako doria

aoka re ry saiko, fafao izato sary
mitoneha koa ry fo, aoka ny tsiahy
fa mamy ireny ka mamy, aok’izay sao maharary
‘lay fitiavako manolatra, avelao ho ahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1557 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 21/08/2010 14:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109