You are here: home > Vetso

MBOLA HISY VE ? - MiséVonjy

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny fitiavako
fa tsisy miafina aminao, ny tontoloko rehetra
eny hatramin'ny tomany, nampakovitra ny vavako
sy ny hiam-pifaliana, nanao am-boletra

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny tantara
niainako irery, nozaraiko taminao
fa fantatrao daholo, na ny tsy ambara
niafina tanaty, tsiambaratelonao

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny ampitso
fa ny lasako rehetra efa any aminao
lay saina verivery sy lay hevitra nandiso
no indro nahitsy rehefa tanilanao

Koa mbola hisy ary ve ny teny
hilazako ny tsy fantatra
mampangovitra ny fo, mampitsosaka ny eny
fa safidiko ianao, ilay tokana fatratra

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 09/08/2010
Mpamangy : 472
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA

Hametraka hevitra

Midira aloha