MIONONA ! (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa inona moa no ho azoko atao,
fa raha ianao ilay nantenaiko no toa indro
toy ny fatana eny lavitra, tsy anilako eo
fa dia fo mangatsiaka, afo lavitra hamindroana

Nanantena aho androany, niandry teto foana
tsy mety mino mihintsy, fa ho vitanao
ny hikosoka hamafa, hampanjary ho moana
‘lay horakorakin-tsika ireny, rehefa milalao

Mitamberina ato an-tsaiko, ireo eson’ny namana
nitsiriritra ilay fitia, noezahan-tsika tsy ho vaky
nieboeboako mafy fa tsy hisy koa ny làlana
hidiran’ny tsy tia, ary hahazoan’ireny laka

Fa dia tratra aho izao, manaiky fa misy
ny ambadikin-tsika, tsy mbola nisy nahalala
firy taona no niarahana, no toa dia indrisy
no teny hivoaka ny vavako, hasolo ilay malala ?

Tsy maintsy miaiky, fa mbola tsy fantatro ianao
na dia teo anilako foana, nifamboraka ny tao am-po
f’izao vao tena tsapako, fa olon-kafa ilay teo
anilako notiavina, nantenaina hitondra soa.

Tsy hikiry aho mbola hitia, f’efa fantatro f’efa lasa
Ianao nandrasako, efa lasa niampita ony
Tazako ato an-tsaina, tsinjoko manasa
Amoron-drano ilay fitafy, tsy hisy fofoko intsony ?

Ndeha hody zany izaho, f’efa dify ity masoandro
Hitondra samirery ny alahelo ato am-po
Manatena kosa anefa fa mbola hisy ny andro
Hitatavako ny mamy, higoako ny soa
--------
Rohy:
1435 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 09/09/2010 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159