MITOMANY ILAY FITIA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny orana mikoriana, toa ritsoka an-tafo-trano
Ny volon’andro maloka, rivotra arahin’erika
Lokon’ny fitiavako, ranomaso toy ny rano
Mandena ny fitiavako, resy mila ho rendrika

Injany ny filatsany, gadogadona kotaba
Manindrona ny foko, ilay nitia tsy mba tony
Toa akora manenji-dresy, manamaina izato vava
Mainan’oroka nomeny…toa voninkazo nitsam-bony.

Tsy mba tafo mantsy zany foko, ho fiaro raha avy orana
Ka na erika io na havandra, tsy mihontsona mahatanty
Fa nofo kely mitahiry, ilay notiavina, ‘lay tokana
Ka injao mararim-pitia, mitomany izany havany.

Ny fahanginana ato an’efitro, kotabain’izato orana
Satriko hisy embona, entin-drivotra avy any
Fa fofon-tany no injao, manempotra maha –torana
Ity foko mila ho resy, miady mafy tsy hitomany.

F’izato ranon’orana, mitsotsorika amin-drindrina
Toa latsa zary sary, manoritsoritra ny foko
Tsy hay fafana mba ho lasa, tsy hisy feo mba ho sina
Fa mitomany ‘lay fitia, ranon’orana maro loko.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 02/05/2011 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138