NDAO HANDIHA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
efa nangatsiaka ve ilay fo izay nitia
no dia avonavona no hasetry ity tsiky
fa tsy nisy mihintsy, fony isika niara-dia
sombitsombim-pifaliana, fa toa fankahalana no mikiky ?

ito endrikao ilay volana baliakan’ny foko
taratra hasambarana izay niainana anaty
zary malomaloka tarehy, hianjadian’ny toloko
no lazain’ito foko, resy miantso faty

zary toa hantsana mankadiry tsy hay hiampitana
ny omaly sy ny anio antsika, hiainana
fa toa nofinofy ireny isika roa, nifampitatana
mandrotidrotika fo tsy mety eken’ny fisainana

iza no diso izaho ve sa ianao, nampisaraka
sa ny vintana na ny anjara no tsy laitra
fa sarotra ny hino fa isika roa tsy afaka hiaraka
dia hamarana ny dia, ny rovitra tsy ho voazaitra.

Koa ndeha izany havako izany, atao ahoana moa
Izato endrika toa vinitra, ndeha hiatsaravelatsihy
Ho rakofan-tsiky, na dia lonjony aza ny ao am-po
Mba ho endrika sariaka no hiarahana, ndao handiha.
--------
Rohy:
1299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 07/09/2010 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105