RAIKO O ! (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana moa aho, no tsy hahatsiaro ka hisaotra Anao
Ry Raiko mahery, izay nitantana ny diako
saingy mbola mafy ho’ahy, ‘lay fisarahana ka nandao
nisintaka lasana ilay notiaviko sy nandrian’ny saiko.

Fa nangidy Ray o ! ilay kapoaka nosotroiko
tsy nosainiko akory, fa jambena izato masoko
hay ve Ray o ! hankosotra daholo izato loko
hifonako aminao Ray o! raha mahatsiaro anaty toloko.

Izao aho Ray o! ato anatin’ny fahatsiarovana mangidy
no mahatsiaro menamenatra, fa raha fitiavana ny Anao
tsy mba miofo na ela aza, fa tiako loatra izy ka tsy tadidy
ny hisaotra sy hametraka ireo dina, zary tanisa …kilalao

Tiako loatra mantsy izy, dia nihanoka aho nitia
tsy nahatsiaro mihintsy, fa izao rehetra izao
raha tsy teo Ianao ry Raiko, tsy nisy koa ny fitia
‘lay natolotro ho azy, sa diso ka tsy sitrakao ?

Mifona re ry Raiko, mba tsinjovy ity foko,
Fa manomboka izao, ny ho aviko rehetra,
Hapetrako an-tananao, na tsiky na toloko
Sy ‘lay mba ho tiaviko, am-pelatananao no hitoetra
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
1402 0
Hevitra mandeha
tsikyfytia ( 24/08/2010 07:53)
Mankasitraka 100%, mifona, misaotra, matoky, manantena...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 23/08/2010 06:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148