You are here: home > Vetso

RAKITRA - MiséVonjy

Azo vakiana?

Ho raketiko an-tsoratra, ny senton’ny fo, nateraky ny tsiahy
hisolo ireto holatra, tsy mba nety lo, tsy nahasaraka ahy.

Ho soratako ao, ny kiakan’olo-tia, tojo fifaliana
fa tsy mba kilalao, ilay isika niara-dia, tsy mba nokaliana.

Ka rehefa iny, mitamberina ny lasa, tonga tsy nantsoina,
ho raisiko ilay episitily, feno ny fikasa, tsy mba nokaloina.

Ventesiko irery, ireo sento niarahana, tanatin’ny lanitra
voarakitra tsy very, tsy nisy nangalana fa namerovero manitra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 23/03/2012
Mpamangy : 1130
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA
22 NOVAMBRA