RESY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe resy akory rehefa mangina ka tsy miteny
fa mety ho mafy ny lala-nodiavina ka mbola sina
fa hisy ny andro mety ho ora hialan’izy ireny
dia ho tsiky sy hehy no ho heno handresy mangina.

Marina ekeko fa mafy ny ady tsy zakan’ny fo
nanaloka mihintsy izay mba anjara nitsilopy tety
kanefa na izany aza ny fery sy ratra ireo ve moa
tsy hanolatra ihany rehefa tojo izay mba mety ?

Diso aho raha hilaza hiambo fa hoe zakako ihany
ilay fandaozana izay nisy tsy hoe mbola hiverina
fa mafy iny ora tsy tanako mihintsy ny ora-tomany
nandena ny tavako namonto mosara izaho nivembena.

Niezaka ihany aho nandresy tomany nitsiky mora
fa ito mosara vonto sy lena tsy haiko nafenina
porofon’ny foko resy an’ady maheno akoran’
ny aok’izay faranana hatreo aleo tsy miverina

ny andron-tsika sarotra hialana fa paradisa
izay tany Edena tsy haiko aloha fa kanto aok’izany
fa tamin’io ora fanaovam-beloma tsy nisy izay sisan’
ny fitiavan-tsika nivoadivoadiana haharitra hatrany.

Fa mety hoe resy ihany aho aloha ka aleoko mangina
eny triatra mihintsy ny lamba fitafin’ilay fitiavan-tsika
nirakofan’ny fo…nihanjaka teo …ka indreo fahoriana
fa resy aho manko resy mihintsy ka tsy sariaka
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
1988 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 25/11/2011 15:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122