ROA TAONA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Roa taona no niarahana, nanambarana fitia
fa saingy izao fisarahana, no mamarana ny dia.
Nandraman-tsika daholo, ny fitia tsy nisy fetra
fa dia fo torotoro, no fitambaran’ny rehetra.

Ka na hikiry hifankatia, hifanolotra izay voady,
Isika mihintsy no minia, manakatom-bavahady.
Koa ndeha halevina ny lasa, ho rakofan’aizina tsy hisy
Fa fitia tsy hay fampiasa, ho hadinoina toy ny tsy nisy.

Ho lazaina ho toy ny nofy, izay mety ho tamberina
Rediredy mitondra rofy, hialana tsy ho nenina.
Fa na hanangatra aza ireny, hisarangotra hikiry
Efa foana ilay fiteny sy ilay fitia tsy nananam-piry.

Roa taona izao no dify, ho kosehina handao
Fa fitiavana manify, tsy naharitra fa lao
K’ireo sary izay voatahiry, natao ho fahatsiarovana
Haleveno tsy haniry, ho sakaizam-pahalovana

Ny anaranao fiantsoko, nangolaiko raha tononina
Ho foanako ao am-bavako, eny ataoko ho sorona
Mba hahazahoako hery indray, hiatrika ny ho avy
Sy ho fanefitra hahay, hanome tontolo tena favy.

K’izay roa taona lasa izay, nianarana nitia
Ho dingam-piainana iray, hilaozana satria
Ny fitiavana dia nisy, nandoro aza indraindray
Fa isika roa mihintsy, no tena tsy nahay.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1819 0
Hevitra mandeha
SIOKATOKANA ( 08/08/2011 12:30)
Fitia tsy tanteraka
Aza atao mahakivy
Ny fo ho reraka
Tandremo,lafo vidy

Roa taona niarahana
Nifamboraka fitia
Nefa lasa fisarahana
Ny sisa ataovy sanatria

Niseho taminao mihitsy angamba io a?

ZAVOTANY09 ( 09/08/2011 13:58)
Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambarana
ilay notiavina am-po, nantenaina ho namana
ka na ireo teny tiana, am-bava nifanolorana
zara latsa fahoriana, fangady hamongorana

roa taona no nitiavana, safononoka ny fo
saindy indrisy fa ny làlana, nisaraka ho roa
mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitia
indro tany babangôna, no anjarako nitia

soa ihany fa ny fo, tsy tanalahy akory
fa mahay mikaroka ny soa, ilay tsy maha ory
hisaona izy anio, hitafy lamba fisaonana
hinoako kosa fa ambak'io, tsikitsiky no fihaonana

fa any ho any, ilay fitiavana mila namana
mbola hiandry ihany, miandry tànana
hotolorako ilay tsy tiana, tsy ho roa taona
fitiavana hifamaliana, hiaina zato taona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 08/08/2011 11:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121